23 Aogositra teo tao amin'ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano raha azo sambo-belona kosa ny iray. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fanafihana mitam-padiana tao amin’io Fokontany io tamin’ny 18 Aogositra teo. Nanokatra fanadihadiana ny FDS ka fantatra tamin'ny izany fa avy eo amin'ny Campement Andranonakanga kaominina Mafaijijo, distrikan'i Maintirano ireo jiolahy nanao fanafihana ireo ary mbola nikasa hanao fanahifana amin'ny Fokontany Tanambao SPM ihany tamin’io andro nahavoatifitra azy io. Nametraka ny paikady ny FDS noho izany ka nifanehitra tamin'ireto FDS ireto tokoa ireo jiolahy tokony ho tamin'ny 11 ora alina sy 40 minitra. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahita ny FDS ka dia voatery namaly tifitra koa izy ireto farany. Vokany, jiolahy roa no maty raha ny iray azo sambo-belona ary nisy namany hafa nandositra. Noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy tao Maintirano ity jiolahy voasambotra ity mba hoatao famotorana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany nandositra.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy