airtel

Fandriampahalemana

06-oct-2021

Fandriampahalemana

Tanjombato Ahetsika hiady amin’ny tsy filaminana ny mpanao haiady

Sample post image

Niara-nivory tamin-drizareo avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena izahay, hoy ny ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitr’I Tanjombato, Tovo Rakotojohary, omaly

06-oct-2021

. Hanisy fandraisana andraikitra bebe kokoa ety ifotony ry zareo, hoy ity ben’ny tanàna ity. Ovaina ny stratejia ho fampandriana fahalemana. Ho anay manokana dia fanendahana sy hala-botry no tena feno ety. Tsotra ny hafatry ry zareo dia hoe tsy ny fametrahana mpitandro filaminana betsaka tsy ho araky ny tetibola no tanjona mila manova paikady hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Misy fifampitaizana koa amin’ilay izy. Tety Tanjombato izao, vao ny alahady teo no nisy voatsindrona antsy. Rehefa misy toy izany indraindray isika vao tonga saina. Efa ela no niarahanay niasa tamin’ny polisim-pirenena dia eo amin’ny mpanendaka miisa 5 isan-kerinandro izao no tratra isan-kerinandro. Tokony tohanana izay fandraisana andraikitra izay nefa mbola sarotra satria misy fiantraikany be amin’ny fampandrosoana. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny JIRAMA hoe mba hampireheto re ilay jiro fa efa nividy takamoa izahay. Misy teboka maro izay na tsy tratran’ny JIRAMA aza dia nampiasanay ireny takamoa mandeha amin’ny herin’ny masoandro na “lampadaire solaire” ireny. Miandry ny fandraisana andraikitry ny isan-tsokajiny izahay satria vao nangataka tamin’ny JIRAMA izahay hoe mba jereo ilay jironay satria nisy jiro efa ho 2 volana izao tsy nandeha. Na izany aza dia namory kely ireo lohandohan’ny kaominina izahay hitady vahaolana ety ifotony. Tapaka fa hisy ny fifanentanana amin’ireo tomponandraikitry ny haiady ety Tanjombato ary hanao karazana fisafoana ho fiarovana ny tanana. An-davanandro io ary tsy asiana ora satria ny hampihemotra ireo olon-dratsy no tanjona amin’ilay hoe ahitsika ny mpanao haiady. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny borigady miady amin’ny zava-mahadomelina koa fa ny fisian’ireo mandray na mitsindrona rongony mahery vaika, araka ny efa nambara, koa mbola isan’ny mahatonga an’io na dia efa nisy olona miisa 20 tratra aza, hoy hatrany ny ben’ny tanan’I Tanjombato.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap