Nodorana sy nopotehina omaly alarobia 03 Septambra ireo zava-mahadomelina mahery vaika Crystal Methamphetamine milanja 10,9 kg rehefa nahazo alalana avy tamin'ny tompon'andraikitra. Raha tsiahivina dia tratran’ny Polisim-pirenena miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy ny 12 Aogositra lasa teo izy ireo teny Ampasampito Ambohimirary. Lehilahy iray nivarotra sy nanaparitaka izany. Efa nadoboka am-ponja eny Tsiafahy ny anaolahy ny datin'ny 16 Aogositra lasa teo. Fantatra moa fa tera-tany vahiny iray Tanzaniana no mpamatsy ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo, izay efa voasambotra talohan’ny nahatratrarana azy ary efa nigadra eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ihany koa. Natao afak'omaly 02 Septambra teny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny fandevonana sy fanapotehana io “Crystal Methamphétamine” milanja 10,9 kg tratra io, izay notanterahin'ny Polisin'ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana.
Pati
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny