Mpangalatra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny antsy hatrany izy io ary efa ela no notadiavina. Nametrahana Polisy avokoa araka izany ireo toerana be mpanjifa ka tamin’izany no nahatrarana ity lehilahy ity teny Isotry. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola hita teny aminy ny antsy miisa 02 sy tournevis izay handrahonany olona sy hampiasainy mandritra ny asa ratsy izay fanaony. Efa fantan-daza sy mpameri-keloka amin’ny asa ratsy toy izao ity lehilahy voasambotra ity. Any Andohatapenaka izy no mipetraka raha eny amin’ny faritra Isotry kosa no manao asa ratsiny.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy