Nanamafy ny paikady ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fikarohana ireo jiolahy ny Polisy mba hamongorana ireo mpanao ratsy. Ny Alarobia 08 Janoary teo tokony tamin’ny 03 ora maraina, teo akaikin'ny CSB II Tanambao Verrerie, dia nifanehatra tamina olon-dratsy miisa 05 efa nampiahiahy, ary nasaina nijanona hanaovana fisavàna ny Polisin’ny UIR manao fisafoana. Nanohitra avy hatrany anefa ireo jiolahy ary namoaka fitaovam-piadiana nanoloana ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy niaro tena ny Polisy ho fiarovana ny ainy ka lavo noho ny tifitra nahazo azy ny jiolahy iray raha toa ka tafaporitsaka kosa ireo namany efa-dahy izay mbola karohina fatratra. Fantatra fa jiolahy efa nokarohina sy mpanao fanafihana ao Toamasina ity lavo ity.
Pati
Legende : Efa lasa any amin’ny varo tsy mifody ity jiolahy mpanao fanafihana tao Toamasina ity !
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly