Andrasana anefa ny tatitra ofisialy, raha ny vaovao azo, dia nisy basy iray very tokoa tao amin’ity toby ity. Somary saropady ity resaka ity ka asa hoe: ahoana marina ny tena zava-nitranga sy ny tena antony? Voalaza fa efa nisy ny fijerena ifotony ny trangan-javatra nataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tafika teny an-toerana. Voalaza fa nanao fampilazana tamin’ny lehibeny ny mpiambina fa misy roalahy tsy fantatra nanafika tao amin’ny faritra ny Toby, ka nidaroka sy naka an-keriny ny basy AKM NR 170545 niaraka tamin’ny “chargeur”, ary nandeha nitsoaka nitsoaka. Taorian’ny fanairana, dia nisy ny savahao sy fanamarinana tao amin’ny faritra tao anatiny sy manodidina ny lakazerina, saingy tsy nahitana na inona na inona intsony. Nosamborina kosa ilay miaramila mpiambina, mba hanaovana famotorana sy fanadihadiana noho ity toe-javatra ity. Somary hafahafa ihany ny hoe: miaramila voadaroka ao anaty lakazerina, ary lasa ny basy teny aminy izany hoe: efa tafiditra an-dakazerina ve izany ny jiolahy. Sao sanatria efa endrika fikomiana na “rébellion” na fanomanana korontana ao anatin’ny toe-draharaha mafana ara-politika ny fahaverezana fitaovam-piadiana tahaka izao? Tsy manakiana, fa raha ny fahafantarana azy, isan’ny tena saropady ary tahaka ny vantan-tenan’ny miaramila izany basy izany. Sarotsarotra ny hoe: hisy olon-tsotra afaka hahavita an-terisetra hahazo ny basy eny an-tànany raha tsy efa manana fahaiza-manao manokana. Misy rahateo ilay fomba fiteny hoe: “aleo maty miaramila arivo, toy izay very basy iray”. Andrasana ny mety ho tatitra sy fanazavana ofisialy hoe: inona marina no tena nitranga ary inona no mety ho antony ?
Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy