no nahiana ho nikotrika fangalaran-jaza teny Tsaramasay omaly atoandro. Tamin'ny alalan'ny balaomina no nanadalainy ireo ankizy saika hangalariny saingy tsikaritry ny olona teo amin'ny manodidina, hoy ny resaka niparitaka. Norotahan'ny fokonolona, tratry ny fitsaram-bahoaka izy ireo ka naratra tanteraka. Niparitaka ihany koa ny filazana fa nahatrarana mosoara, ranomanitra, seringue sy basy tany amin'izy ireo, saingy ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no mety hamaritra ny fahamarinany na tsia, fa ny tsy azo lavina aloha dia tena nanaparan’ny olona ny hatezerany ireto olona ireto. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Kaomisarian’ny polisy Antohomadinika, naka ireo olona ireo. Andrasana araka izany ny fanadihadiana ofisialy manodidina ny tranga tahaka itony satria samy manana ny mety handroritany azy ny rehetra. Ny tsy azo lavina dia tena mafana ra ny vahoaka eo anatrehan’ny zava-misy, hany ka vao misy toe-javatra miseho, dia mety hiafara amin’ny zava-doza raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana. Miakatra ny fahasosorana noho ny alahelo sy hatezerana manoloana fanjavonana zaza, vono olona mahatsiravina,… hany ka vao misy zavatra miseho ahiana ho mifandraika amin’izany dia mitroatra, mirohotra hanao fitsaram-bahoaka. Efa nisy ilay tranga teny Ankaditoha Tsimbazaza izay nisiana vehivavy voalaza fa marary saina niditra an-keriny tao an-tranon’olona, ka efa nisy niantso fandorana velona. Nialohan’io ilay teny Ilanivato izay voatery nitsoaka nanavotra ny tenany tany amin’ny paositry ny polisy, saingy noravan’ny olona hatramin’ny toeram-piasan’ny mpitandro filaminana. Rehefa tonga teo amin’ny polisy dia nentin’izy ireo namonjy hopitaly, dia tena potika sy rava tanteraka ilay mpangala-jaza, izay voalaza fa feno ody gasy rehefa nosavaina. Samy nidoboka am-ponja ka ny lahy any Tsiafahy, ny vavy any Antanimora. Nafana ihany koa ilay teny Lazaina Avaradrano raha tsy tonga naka ilay lehilahy ny mpitandro ny filaminana. Tena sosotra ny olona, saingy ny manahirana dia ny hoe : ahoana raha sanatria noho ny tondro molotra ? Eo ny fahatezeram-bahoaka izay betsaka no antony : alahelo sy fahatezerana noho ny fisiana aina maro latsaka, tsy fahatokisana ara-panjakana, tsy te hiandry izay fitsarana sy didy mety mbola ho ela fa avy hatrany dia fitsaram-bahoaka,… Tsiahivina anefa, fa ny lalàmpanorenana, andininy faha-13 no mamaritra fa: “Tsy misy olona azo samborina na tazonina raha tsy amin’ny alalan’ny didy ara-dalàna. Tsy misy olona azo saziana raha tsy amin’ny alalan’ny fitsarana ara-dalàna.” Midika izany fa ny fanasaziana ataon’olona na vondrona tsy manana fahefana dia tsy manan-kery. Ny andininy faha-295 amin’ny fehezan-dalàna famaizana dia mamaritra fa na iza na iza mamono olona iniana atao dia meloka sy hatrany. Ny andininy faha-312 sy 313 : Mamaritra ny sazy ho an’ny daroka sy ratra natao tamina olon, ka raha atao amin’ny endrika fitsaram-bahoaka dia azo ampiharina mivantana amin’ireo mpanetsi-bahoaka. Ny andininy faha-11 sy 12 kosa no mamaritra fa ny fanasaziana sy ny famonoana dia andraikitry ny fitsarana ihany, ary ny fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny sazy.
MANANA ADIDY GOAVANA NY FANJAKANA
Manana adidy ny Fanjakana hametraka sy hamerina ny fifampatokisana, hanaporofo amin’ny alalan’ny vokatra mazava sy azo tsapain-tanana fa tena misy vokany ady amin’ireo tranga mamoa-doza ka mivoaka ny tena marina hoe : Inona no antony ? Iza no tena aditoha ? Voasambotra ve ny trondro vaventy sa ny trondro madinika ihany ? Inona no valin’ny fanadihadiana ? Entanina ho mailo hatrany ihany koa ny vahoaka satria mbola mitohy ny asa ratsy saingy tsikaritra ho nihena, mitohy ny fiezahana hanakorontana saim-bahoaka toy ny fanapariahana vaovao tsy marina hakana sarin’olona ampiasaina hilazana fa misy olona very,…
Toky R