Noho ny fisian’ilay Varatraza izay nanomboka ny faran’ny herinandro teo ary mbola mamaritra ny toetr’andro eto amintsika no anton’izany, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Na izany aza anefa dia fantatra fa tsy nahavanona kosa ilay tangoron-drahona saika nivadika ho andro ratsy tao amin’ny ranomasimbe Indiana. Nihena mantsy ny herin’izany nanomboka afak’omaly sabotsy. Mety mbola hahakasika kely an’i Madagasikara ihany anefa ny takaitra navelany amin’ity andro anio ity.
Légende : Mbola misy akony kely eto Madagasikara ihany ilay tangoron-drahona niforona tany an-dranomasimbe indianina
Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy