Niteraka savorovoro ny fahafatesana tovolahy iray notifirin’ny polisy ny alahady lasa teo vao mangiran-dratsy tao Andondona, Ambohimahasoa. Voalaza fa mpamaky trano tratra nihanika lavarangana izy, saingy toherin’ireo havany izany, ka milaza izy ireo mpitandro filaminana iray mamo avy nanao fety no nitifitra an’i Safidy. Niakatra ny hatezerana ka nitangorona sy nandoro kodiarana teo anoloan’ny Kaomisaria ny olona maro omaly, naneho fa fa mitaky ny rariny. Raha ny filazana ankampobeny, ny Sabotsy 26 Jolay 2026, nikarakara alim-pandihizana tao amin’ny Lapan’ny Liantsoa, trano an’ny Katolika, ny Polisim-pirenena Ambohimahasoa. Isan’ireo nanatrika io lanonana io i Safidy. Tamin’ny 3 ora sasany maraina, voalaza fa naharay antso ny polisy fa misy olona mamaky trano ao amin’ny Fonkotany Andondona. Tonga teny an-toerana izy ireo ary mbola hita teo ihany koa i Safidy, hoy ny fizaram-baobao niparitaka. Voalaza araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, fa nikasa hamaly sy nahitana antsy teny an-tanan’ilay tovolahy ka notifirin’ny polisy avy hatrany, nahafaty azy. Nalain’ny havany teny amin’ny « morgue » ny razana, ary teo no nipoitra ny fifamaliana sy ny fifandirana teo amin’ny roa tonta. Misy ihany koa anefa ny filazana hafa voalaza fa avy amin’ny olona nanatri-maso fa efa nifatotra rojo vy na « menotté » sy nandohalika i Safidy, tsy namaly intsony, nefa mbola notifirina ihany. Tifitra roa no nahazo azy: iray teo amin’ny tratrany ary iray teo amin’ny kibony. Nolavin’ny fianakaviany sy ny fokonolona ihany koa ny fisian’ilay antsy nasehon’ny polisy, ary nohizingizinina fa mamo ilay inspektera nitifitra tamin’io fotoana io. Maro tamin’ireo efa nampiasa an’i Safidy no nanamafy fa tsy olon-dratsy izy fa madio tanana, hoy ny tatitra. Tonga teny an-toerana ny Talem-paritrin’ny Filaminam-bahoaka sy ny Solombavambahoaka, nandamin-draharaha. Niala tsiny sy nifona tamin’ny fianakavian’i Safidy ny Talem-paritra noho ny tifitra nahafaty azy, ary nilaza ny fianakaviana fa hampiakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana. Nampanantena kosa ny Kaomisera fa tsy hiasa intsony ao Ambohimahasoa ilay inspektera, ary ny lalàna no hanenjika azy, hoy ny fizaram-baovao avy any an-toerana. Nilamina indray ny toe-draharaha taorian’izay saingy mbola mafana ny adihevitra sy ny fitakiana rariny ao an-toerana. Heverina fa mbola hisy fanadihadiana lalina ka asa izay hiafaran’ny raharaha ? Ny tsapa tato ho ato dia hendratrendratra sy mafana ra ny olona eo anatrehan’ny tranga tahaka itony toy ny tao Maintirano, Ambositra,…
Toky R