ilay tovolahy nahavita namono nahafaty ny Reniny niteraka azy tetsy Anjezika Andavamamba noho ny fitiavana te-handova mialoha. Efa tamin’ny volana Jona taona 2024 io Reniny io no novonoiny, raha tsiahivina izay fantatra fa notsatotsatohany tamin’ny antsy. Nalevina tao an-trano ihany Ratompokovavy taorian’izay no sady tsy nofonosiny lamba akory, tranga hitan’ny mpitsabo nandritra ny famongorana ny razana tamin’ny datin’ny 18 Janoary teo. Tsy nisy alaharo moa fa avy hatrany dia nalefa naka saina eny Tsiafahy ny anaolahy mba hisaintsaina ny ratsy vitany. Nisy namany iray noraofina niaraka tamin’ity tovolahy ity ihany koa moa raha tsiahivina izay nokaramainy 200.000 Ar niady ny lavaka nandevenany an-dReniny. Efa voalevina any amin’ity toerana tokony hisy azy soa aman-tsara ny razana.
Pati
Legende : Izy roalahy avy natao fanadihadiana tetsy amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena etsy Fiadanana !
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.