airtel

Fandriampahalemana

05-oct-2023

Trafikana zava mahadomelina

Nafenina tanatina gitara sy fitoeram-panafody ny rongony

Sample post image

Lehilahy roa 24 sy 36 taona no saron'ny Polisin'ny STUP Anosy teny Antanimenakely Ampitatafika sy teny amin'ny

05-oct-2023

tranon'ny mpianatra Ambatomaro ny 20 sy 03 Oktobra teo rehefa nikasa hanondrana zava-mahadomelina mahery vaika ho atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy. Rongony 1kg sy 200g ary Opium 287g sy Amphétamines 363g no tratra teny amin'izy ireo. Nafeniny tao anaty gitara sy fitoeram-panafody kalsioma Masy izany. Olona handeha ho any Maorisy no saika hampitondrain’izy roalahy ireto entana ireto ka nahatsikaritra ireo zavatra tao anaty fonosana ka nampandre avy hatrany ny Polisy. Rehefa natao ny angom-baovao, napetraka ny velam-pandrika rehetra dia tratran'ny Polisin' ny Stup teny amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly Alarobia 04 oktobra moa ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy saika hanondrana zava-mahadomelina atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap