airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2023

Fandriampahalemana

Trafikana zava-mahadomelina Rongony 9 kg mahery sarona tao Nosy Be

Sample post image

Saron’ny Sampan-draharahan'ny fadintseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Nosy-Be ny mpandeha iray teratany Tanzaniana niaraka tamin'ny rongony milanja 9.174 kg

15-févr-2023

omaly 14 febroary. Nafenin’ity mpandeha ity tao anaty valizy ireo rongony ireo. Tonga tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET837 omaly talata 14 febroary 2023 io mpandeha nahatrararana zava-mahadomelina mahery vaika io. Nogiazana avy hatrany ireo rongony ary nosamborina ilay mpandeha. Araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny Fadin-tseranana dia mbola mitohy ny fanadihadiana. Andro vitsy monja taorian’ny nahatratrarana zava-mahadomelina izay nafenina tao anaty kojakoja fiara dia mbola mailo hatrany ny mpiasan’ny Fadin-tseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina Nosy-Be, ka io mbola nisy tratra io indray. Manamafy ny maha zava-dehibe ny anjara asany amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fiarovana ny olom-pirenena ny eo anivon’ny fadin-tseranana, hoy ny fanamarihana. Andro vitsy lasa izay dia nomen’ny filankevitry ny minisitra alalàna ny hananganana ny Direction de la Surveillance Douanière, izay misolo ny Service de la surveillance douanière. Na izany aza, henjana ny trafika miainga avy eto Madagasikara, ka isan’ny lalovany matetika i Nosy. Tsy vao sambany io na rongony, na volamena, eny fa na olona miondrana noho ny fanenjehana ara-pitsarana sy ara-politika aza. Matoa mandeha izany rehetra izany, dia misy ny mpanalalana sy mpanamora azy. Ny afera mandeha ihany koa, tsy vitan’olon-tsotra, fa matetika efa tambajotra matanjaka, mety manana rohy amin’ny manam-pahefana, ary nisy fotoana aza dia fianankaviana olom-boafidy no isan’ny sarona tamin’ny trafikam-bolamena, saingy tsy re tsaika intsony ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap