airtel

Fandriampahalemana

12-févr-2026

Tranga

mampivarahontsana tao Mampikony

Sample post image

Tovolahy iray varira iray nisy nanapaka ny lohany

12-févr-2026

Nisehoana trangam-piarahamonina mahatsiravina tao Mampikony, araka ny vaovao voaray omaly. Zaza varira iray antsoina hoe Marcellin mipetraka akaikin’ny Eglise Assemblé de Dieux no maty nisy nanapaka ny lohany tao Betsingala io omaly io. Tsy fantatra mazava ny antony sy ny nahavanon-doza, fa dia samy nivarahontsana ny rehetra manoloana ity tranga ity. Anisan’ny sokajin’olona lasibatra hatrany ireo manana toe-tena varira, izay tsy mbola fantatra mazava ny antony, fa kihonohono sy finoanoampoana no betsaka amin’ny fakana ny taovan’izy ireny. Ao ny hoe ilaina amin’ny ody, masobe tsy mahita,… saingy mbola mijanona ho kihonohono. Asa rahoviana no hivoaka ny marina manoloana ireny famonoana varira maro be ireny, izay tsikaritra ho tena nirongatra tao anatin’ny 5 taona farany.
Toky R
 

Dans la même rubrique