airtel

Fandriampahalemana

18-sept-2023

TSARAHASINA AMBOHIMANGAKELY

Mpisandoka ho zandary tratra nanendaka

Sample post image

Sady nahasosotra no nampalahelo ny fihetsika nataon’ity lehilahy iray tratra nisandoka ho zandary ao

18-sept-2023

Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Fanamiana zandary any amin’ny Comores no nanaovany hoy ny vaovao, ny pataloha miloko maramara mitovy loko amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana, ny amboniny kosa hafa dia hafa. Voatery nosamborina izy noho izany ka teo ihany koa no nahafantarana fa mpanendaka ny anaolahy . Nirohitra nanatona ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely avokoa mantsy ireo efa nendahiny raha vantany vao nahare fa voasambotra ny anaolahy. Anisan’ireny ilay voaendaka 598.000 Ar tao anaty alan'i Tsitiamainty ny volana Aogositra lasa teo. Telolahy samy manao fanamiana mitovy no nanendaka azy ka anisany ity voasambotra ity. Efa natolotra fitsarana moa ity zandary lavavolo ity ka notanana am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa mbola nanamafy ny maha-zandary azy ao Ambohimangakely ihany ny tenany na dia tsy izy aza fa mpisandoka rehefa nohadihadiana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana efa sasatry ny miaina !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap