Ankoatra ny haintrano ahiana hitranga mantsy dia efa avy any ambony plafond ihany koa amin’izao no miditra ireo mpangalatra. Mpivarotra maro no nahazoana fitarainana fa tapitra manjavona ny vola apetrak’izy ireo ao an-tsena amin’ny alina, indrindra fa ireo hasisika any ambony plafond. Nataon’ny mpiandry tsena araka izany ny vela-pandrika ka tovolahy iray no tratra niditra avy any ambony plafond ny Talata alina teo. Mbola tratra teny aminy nandritra izany ihany koa ny fitaovana entiny mandidy ny plafond. Raha araka ny fantatra moa dia efa fanaon’ity tovolahy ity ny tahaka izao. Mitily ireo mpivarotra ny asa hataony amin’ny andro ary mametraka paikady avy hatrany mikasika ireo tsena izay hoteteziny raha vantany vao hariva ny andro.
Nangonin’i Pati
(Sary nindramina)
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe