airtel

Fandriampahalemana

02-oct-2023

TSIMADILO ARIVONIMAMO

Fasana iray vaky, razana 80 indray nanjavona

Sample post image

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

02-oct-2023

no tena lasibatra sy mahita faisana amin’izany toy ny niainan’ireo mponina tao amin’ny Fokontany Fiombonana, kaominina ambanivohitra Talata Tsimadilo, distrikan'Arivonimamo, ny 23 Septambra lasa teo. Fasana iray no nisy namaky tamin’io andro io ka ankizy nandeha niady mangahazo maraina no nahita izany efa nidanadana, saingy tsy nety nitantara tamin'ny mponina tany an-tanàna raha tsy ny andron’ny Alarobia 27 Septambra lasa teo. Efa foana tanteraka anefa ilay fasana na izany aza tsy nahita na inona na inona intsony. Ny lamba sy vovom-paty sisa no nameno ny lalan-tsara tao amin'ilay fasana raha voalaza kosa fa nahatratra 80 isa ny razana tao anatiny. Alahelo sy ranomaso moa ny an’ireo tompom-pasana tsy nahita intsony ny taolam-balon’ireo havany tao am-pasana izay marihina fa na karan-doha aza tsy nisy tavela. Efa tapitra lasa daholo ihany koa ny taolana.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no hita tao am-pasana !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap