indray no lasibatry ny tsy fandriampahalemana eto Antananarivo renivohitra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Very 8 tapitrisa Ariary na 40 tapitrisa Iraimbilanja ity «cash point» ity, hoy ny fanazavàna. Azon’ny fakàn-tsary na «caméra de surveillance» ireo olon-dratsy nangalatra ny vola, hoy ny antsoavon’ireo lasibatra tamin’ny tambazotran-tserasera, ary tsy aritr’izy ireo indray, araka izany, ny tsy hizara ny sarin’ireo olona neverin’izy ireo ho nahavanona ny loza tamin’ny tambazotran-tserasera. Valisoa mitentina 1 tapitrisa Ariary moa no nambaran’ireo lasibatra fa ho zarain’izy ireo amin’izay mahita na manam-baovao momba ireto olon-dratsy ireto. Tsiahivina hatrany anefa, etsy ankilan’izay, fa voararan’ny lalàna ny manaparitaka sarin’olona mbola tsy nambaran’ny fitsaràna ho meloka.
Nangonin’i J. Mirija
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy