airtel

Fandriampahalemana

19-déc-2024

Tsy fandriampahalemana miseho lany

Lasibatra ny herisetra ny mpanao gazety

Sample post image

Miseho lany ankehitriny ny tsy fandriampahalemana ao Anosibe Namontana, eto Antananarivo renivohitra,

19-déc-2024

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny alin’ny talata teo dia mpanentana sady mpanao gazety ara-kolontsaina eo anivon’ny radiom-pirenena malagasy na RNM no nisy nanendaka sy nanatsatoka antsy. Lasa tamin’izany ny kitapo nentiny nisy ireo fitaovana samihafa ampiasainy amin’ny onjapeo. Natsipiny kosa ny finday ka tsy azon’ireo jiolahy. Teo amin’ny sorony, kibony, tongony no nokapaina sy notsindromin’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra. Nalaky tonga ireo manodidina ka nirifatra nandositra ireo jiolahy rehefa azony izay nangalariny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ny alin’ny alarobia teo koa dia nisy nanendaka, raha izy iny hody eny Alasora iny, ny mpanao gazety, mpaka sary iray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly ihany. Ny resaka tsy fandriampahalemana eo fa heverina koa anefa fa isan’ny loza mitatao amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety malagasy ny toe-draharaha toy itony. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny Olafitra na OJM sy ny fandraisan’andraikitry ny fitondràm-panjakàna sy ny minisitera tomponandraikitra mihitsy amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpanao gazety izay tsy mitsahatra manohy ny adidiny ho an’ny tombontsoam-bahoaka amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao maro lafy? Lasibatra ny mpanao gazety.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap