no efa voasambotra, ary 61 no naiditra am-ponja hatreto tamin’ny raharaha tsy fandriampahalemana tao Ankazobe. Ny firaisana tsikombakomba amin'ireo dahalo sy olon-dratsy no nisamborana azy ireo, hoy ny zandarimariam-pirenena. Isan’ny nanamarika ny faramparan’ny taona 2024 sy tato anatin’ny fiandohan’ny taona 2024 ny firogatry ny asan-dahalo tao Ankazobe sy ny manodidina. Anisan’ireny ny raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, izay isan’ny tena nisamborana olona maro be, ka tao anatin’izany no nisian’ireo mpitandro filaminana noahiahiana. Raha ny tatitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, dia nolazaina fa nihena 56,07% ny asan-dahalo isan-karazany, ka anisan’ny nambara fa nanaovana ezaka manokana ny tao Ankazobe. Nambara fa nahitam-bokany ny « opération harato II » izay nanomboka ny 29 febroary, ka ny volana febroary dia 2 sisa ny asa fakana an-keriny, ary foana tanteraka amin’izao marsa izao. Maneho moa ny Fanjakana fa ny ady amin’ny halatra omby, ady amin’ny fakana an-keriny, ady amin’ny fanafihana amin’ny làlam-pirenena, ary ny ady amin’ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro ka nanaovana ireo tatitra ireo, ka ankoatra ny tany Ankazobe manokana dia nolaziana fa 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nangalarina, ka 1835 no tafaverina. Marina fa maneho izany ny zandary, fa nahomby, saingy tsy takona hafenina ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro, toy ny vono olona etsy sy eroa, fanafihana mitam-piadiana saika manerana ny Nosy, habibiana samihafa,…
Toky R
Sary fanehoana
Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika.
Lasa faritra mena ny tananan’Alarobia Ambatomanga raha faran’izay nilamina teo aloha.
Vehivavy iray no fantatra fa saika voaholana tany Sabotsy Namehana ny datin’ny 22 Aprily lasa teo.