Ankoatra ireo mpianatra tratra hariva hamonjy fodiana dia lasibatra ihany koa ny mpiasa…Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo izao dia olona handeha hamonjy fodiana manakaiky ny toby fiantsonan’ny taxibe no saika lasibatr’ireo mpangalatra indray. Roalahy ireto farany no niaraka ka mbola tsy ampy taona ilay iray izay vao 16 taona monja.Tsikaritr’izy ireo nitondra entana maro ilay olona handeha hody ka narahany moramora. Natsofiny teo afovoany nandritra izany ka norahonany ary nalainy ny finday teny aminy. Noraisim-potsiny anefa izy ireo satria efa narahan’ireo Polisy maso niasa teny amin’ny manodidina. Tafaverina ilay finday noho izany raha tsy nisy ihany koa ny entana lasa.
Nangonin’i Pati
Legende : Roalahy tratra nanendaka teny Ambondrona
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.