Raha tsiahivina anefa dia efa tena feno dia feno ny fonjaben’Antanimora ary tsy manana anjara sakafo afa-tsy mangahaz 300 grama isan’andro ny voafonja iray. Manjaka tanteraka ny aretina azo avy amin’ny tsy fanjariantsakafo mahazo azy ireo sy ny aretin’ny taovam-pisefoana noho izany. Ho an’ity tovolahy iray tratra nangalatra panneau solaire teny Ankadindratombo Alasora ity ohatra dia vao avy nigadra 08 volana teny Antanimora ny tenany saingy mba efa nivoaka ny volana Aprily lasa teo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy no tratra ka tsy afa-niala intsony. Tamin’ny 08 Septambra teo ihany koa ny anaolahy dia voaporofo fa namaky trano teny Miadana Alasora, Antananarivo Avaradrano saingy tafaporitsaka rehefa nahazo vola mitentina 800.000 Ariary sy Radio. Na izany aza efa mizaka ny valin’asany izy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
Mampivarahontsana sy mampiteny moana hatrany ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana
Rehefa natambatra ny angom-baovao sy ny fanadihadiana maro natao tany an-toerana
Fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina, sinto-mahery , haro-paosy, halatra,
Mitsiry hatrany ny hevi-dratsin’ireo mpisoloky eto amintsika mba hahazoam-bola haingana.