airtel

Fandriampahalemana

21-déc-2022

Fandriampahalemana

Vaky fasana, fakana an-keriny zaza varira Lehilahy 4 voasambotra tany Taolagnaro

Sample post image

Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’i Taolagnaro afak’omaly alatsinainy 19

21-déc-2022

desambra tokony tamin’ny 01 ora maraina rehefa namaky fasana sy nivarotra taolam-paty tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankiranomena. Araka ny angom-baovao azon’ny polisy, dia misy olona mpanao trafikana taolam-paty ao anatin'ity tanana ity. Napetraka ny paik'ady rehetra hitadiavana ireo jiolahy voakasik’izany. Araka ny vaovao azo ihany, dia mitady olona hiara-hiombon’antoka aminy izy ireo amina aferana taolam-paty sy fakana an-keriny zaza varira. Fantatra araka izany fa nisy ny fotoana nifanaovan'ireto olon-dratsy ka tamin’ny Alatsinainy teo no fotoana voatondro nanaovana ilay fifampivarotana. Olona 04 no tonga tamin’ilay fotoana izay nitondra sachet mainty. Tamin’izany indrindra no nisamborana azy ireo. Saika hanohitra ihany ireto jiolahy ireto saingy efa voadidina polisy ny toerana. Ny iray nahatrarana basy vita gasy izay efa nisy bala ana calibre 12, ny telo ambiny kosa efa nitana famaky tsirairay avy. Rehefa nosavaina ilay sachet plastika mainty dia nahitana taolan-dava miisa 85 izay vao nalaina tao amin’ny fasana tany amin’ny fokontany Sakoamasay, kaominina ambanivohitr’Ankaramena ihany. Noentina avy hatrany tany Taolagnaro izy efatra ireto nanaovana fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa 18 taona ny zandriny indrindra amin’ireto jiolahy ireto ary 43 taona ny zokiny indrindra. Pati Legende : Ireto ry zalahy mpanao aferana taolam-paty sy mpaka an-keriny zaza varira
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap
30-avril-2024

Nitrangana fanendahana Taxi moto na itony kodiaran-droa hikaramana hitateram-bahoaka

Card image cap
30-avril-2024

Taorian’ny distrikan’Anjozorobe dia mirongatra ihany koa ny asan-dahalo miaro

Card image cap
30-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisaria CSPD Antalaha tao Ankoalabe

Card image cap