airtel

Fandriampahalemana

27-avril-2026

VAKY TRANO SY HALATRA FINDAY

Lehilahy roa voasambotra tao Mahajanga

Sample post image

Lehilahy iray 21 taona malaza

27-avril-2026

ratsy amin'ny resaka vaky trano no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Poste de Police Avancé Mahavoky Avaratra, niaraka tamin’ny UIR ny Alarobia 22 Aprily teo tamin’ny 10 ora alina, tao Mahavoky Avaratra Mahajanga. Marihina fa efa voarohirohy tamin’ny raharaha vaky trano ity lehilahy ity teo aloha, ary efa nokarohina ka izao tratra izao. Nihevitra izy fa efa mangingina ny raharaha ka hivoaka alina kanjo nifanena tamin’ny Polisy manao fisafoana. Lehilahy iray hafa kosa no voasambotry ny mponina tao Mahabibokely ny Alakamisy ny 23 Aprily teo noho ny fangalarana finday.Tonga haingana ny Polisimpirenena taorian’ny fampandrenesana nataon’ny Filohan'ny Fokontany Morafeno; ka nitondra ilay olona voasambotra teny amin’ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana. Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany izy fa nangalatra finday tao amin’ny bazary Morafeno. Hiakatra fitsaràna anio izy roalahy raha tsy misy ny fiovana.
Pati
Légende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Dans la même rubrique

18-juin-2026

Nahazo vahana tato ho ato ny vono olona

Card image cap