airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2026

VAKY TRANO SY SINTO-MAHERY TENY ITAOSY

Olona 2 no nalefa eny Antanimora

Sample post image

Mbola mahazo vahana hatrany

04-mars-2026

ny vaky trano sy ny sinto-mahery eny Itaosy Atsimondrano eny. Ny 26 Febroary teo dia lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena rehefa namaky trano. Tratra namoaka fahita lavitra tao amin'ny tokantrano iray tao Sakambahiny Ambanilalana ity lehilahy ity ka nandositra raha vao nahita ny tompontrano. Tratran'ny Polisimpirenena izy taorian'ny fikarohana. Ny 27 Febroary atoandro teo indray dia lehilahy iray hafa no voasambotra noho ny sinto-mahery teny Marobiby. Niantso vonjy Ilay niharam-boina ka tratra tsy lavitra teo izy noho ny fiaraha-mientan'ny fokonolona sy Polisim-pirenena. Natolotra ny Fampanoavana ny 02 Martsa teo izy roalahy ireto ka naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora.
Pati
Légende : Ireto ry zalahy mpanao ratsy eny Itaosy eny !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap