airtel

Fandriampahalemana

30-juil-2026

Vehivavy ahiana

ho nangala-jaza

Sample post image

Raikitra ny savorovoro teny Ambohidahy Ankadindramamy

30-juil-2026

Raikitra ny savorovoro teny Ambohidahy Ankadindramamy omaly takariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany noho ny vaovao niparitaka mikasika vehivavy iray ahiana ho mpangala-jaza. Voalaza fa naka sary ankizy izy, dia mandositra ny ankizy. Nisy zaza nentiny, izay tsy fantatra na zanany na zanak' olona hafa, hoy ny fanamarihana. Avotra soa aman-tsara ilay vehivavy voalaza saika hangalarina. Nosamborina io vehivavy io, izay tena natanjaka be ka polisy telo vao nahatazona azy, ka voatery nofatorana. Nitabataba sy nihorakaraka toy ny adala ka asa na tena adala na mody adala ? Andaniny, efa nitangorona sy nisavorovoro ny vahoaka, nitaky sy niantso ny hanolorana io vehivavy izay ahiahiana sy voarohirohy io hatao fitsaram-bahoaka. Nalain’ny mpitandro filaminana nafindra toerana moa ilay vehivavy ahiana ho nangala-jaza io hisorohana ny mety hitrangana savorovoro na fitsaram-bahoaka. Tao anatin’ny folo andro izany, dia nisy tranga roa hafahafa teny amin’ny manodidina, alahady 19 jolay ihany koa mantsy teo Mahazo, teo amin’ny Ravinala izay tsy dia lavitra loatra ny toerana nisian’ny savorovoro omaly, dia voalaza fa nisy olona nahiana ho nangala-jaza, nampiditra zaza tao anaty fiara miloko mainty. Voalaza fa mbola nahitana seringue sy zavatra toy ny ranomanitra. Naratra mafy ilay lehilahy, raha voa saingy tsy dia naninona ilay vehivavy niaraka taminy, izay saika ratsy raha tsy tonga ny mpitandro filaminana, hoy ny tatitra. Ny fiara potika tanteraka rehefa norotahan’ny olona,… Mila mitandrina ny rehetra eo anatrehan’ny firongatry ny mpanao ratsy izay ahiana ho ampiasaina hanakorontanana ny Firenena. Mila fahamailoana ihany koa amin’ny fihetsika atao enivon’ny fiarahamonina sao ny fihetsika tsy voatandrina no mety hiteraka ahiahy satria tena mafana ra ny vahoaka ka sao sanatrian’ny vava mety ho tondro molotra ihany koa no ahitan-doza,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Tovolahy tsy salama saina matin’ny fitsaram-bahoaka

Card image cap