tsy tana ny ain'ilay vehivavy naratra mafy, raha ny fampitàm-baovao voaray ny alin'ny sabotsy teo. Rakotra dian-java-maranitra, hita iny sabotsy iny vao maraina, tamin'ny 5 ora latsaka, teny amin'ny Lalamaty Ambodinisotry io vehivavy io, raha tsiahivina. Mbola eo am-panadihadiana ny zava-nanjò azy ny polisim-pirenena. Ny manodidina kosa nilaza fa ahiana ho voaendaka izy. Mbola nisy aina izy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpamonjy voina izay nitondra azy haingana tany amin'ny hopitaly HJRA. Ny sabotsy teo, tokony tamin'ny 9 ora maraina mahery kely no fantatra fa tsy tana ny ainy. Mbola tsy nisy fianakaviana tonga ihany koa hatramin'io ora io, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija