airtel

Fandriampahalemana

20-oct-2023

VINANINONY FARATSIHO

Tratra i Zista mpangala-kisoa amin’ny andro atoandro

Sample post image

Tena mbola manjaka ny fampiasana fonoka any ambanivohitra any.

20-oct-2023

Anisan’ireny i Zista, lehilahy 55 taona mpangala-kisoa nikoizana tao Faratsiho. Ampiesoniny amin'ny alalan'ny fanafody ratsy ny tompon-kisoa dia mijaikojaiko mibata kisoa roa izy avy eo. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Vinaninony no nitrangan'izany ny 17 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tsikaritry ny zandary avy ao Vinaninony anefa izany ka narahin'izy ireo maso tsara Ingahirainy. Tsy mba mitondra namana aho, hoy izy fa mahatoky ny odiko izay mampatory ny olona na atoandro na alina. Tamin'ny Alarobia 11 Oktobra hoy izy nitantara dia efa nahazo kisoa roa ary namidy tao amin’ny tsenan'i Faratsiho izany. Tonga mangalatra kisoa na omby hatrany amin'ny kaominina Andrakodavaka rehetra aho hoy hatrany i Zista. Tsy lazaina intsony ny efa namboariny tao amin'ny kaominina misy azy. Ody ratsy iray harona be no tratra tao aminy niampy fonosan-drongony.
Pati
Legende : I Razista mpangala-kisoa sy ny ody gasiny !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap