airtel

Fandriampahalemana

04-janv-2023

Fandriampahalemana

Voafonja ao Antalaha Latsaky ny 18 taona ny 110 isa

Sample post image

Ankizy latsaky ny 18 taona avokoa ny 110 isa amin’ireo voafonja manodidina 20.000 ao amin’ny fonjan’Antalaha, hoy ny fampitam-baovao voaray.

04-janv-2023

Isany fototry ny heloka hiampangana sy hitazomana ny ankabeazan'izy ireo ny resaka "délit de mœurs" na fandikana fitondran-tena. Araka ny fanazavana azo dia resa-bola matetika no tena manintona ny any an-toerana amin’ny asa ratsy. Mbola maro amin’ny ray aman-dreny ihany koa no tsy mandray andraikitra noho ny fahasahiranana ka tsy mahavita manabe sy manara-maso ny zanaka ara-dalàna hany ka lasa mivarilavo toy ny mangalatra sy mifoka rongony ireo ankizy. Raha ny ao amin'ity faritra ity manokana dia misy ny "liberté surveillée préventive" fahafahana vonjimaika sy fanaraha-maso fisorohana ary misy koa ny "liberté surveillée pénale" na arahana famaizana, raha ny fanazavana. Paikady izay tafiditra indrindra anatin’ny " ny "justice réparatrice" na fitsarana fanarenana atao amin’ireo ankizy voafonja. Ao anatin’izany dia misy mpanabe avy amin’ny minisiteran’ny mponina ho an’ireo nisitraka izany fahafahana izany ka ireto farany no miaraka amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy manao izay fomba rehetra hanampiana ireo ankizy mba hanaja ny fifanarahana manodidina izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao an-toerana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

Card image cap
02-oct-2023

Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany

Card image cap
02-oct-2023

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

Card image cap
28-sept-2023

Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Card image cap