airtel

Fandriampahalemana

28-nov-2023

Vondrozo, Anjozorobe,…

Faty 3 amin’ny 4 tapa-doha, ranolava ny « kidnapping »

Sample post image

Mandry an-driran’antsy ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Vondrozo Faritra Atsimo Atsinanana

28-nov-2023

noho ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fanapahan-doha, ka raha ny tatitra dia olona 4 no niharan’izany tao anatin’ny herinandro monja. Ny 3 tamin’ireo dia nentin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny lohany, ka razana tsy misy lohany sisa no vantanin’ny fokonolona. Tao Mazavalala ao anatin’ny kaominina Manambidala, zaza vao 6 taona monja no tsy hita ny 19 febroary lasa teo. Tao Miarinarivo Andoharano indray ny 22 novambra, dia renim-pianankaviana iray ihany koa no hita faty efa tsy nisy lohany intsony. Lehilahy iray hafa ihany koa maty tsy hita ny lohany ny alin’ny sabotsy 25 novambra tao Mahatsinjokely, raha ka iray andro nialoha an’io izany hoe ny zoma 24 novambra, dia zazavavy iray no maty nisy namono tao Tanandava. Tsy fantatra mazava hoe : tahaka ny tranga niseho tamin’ny halatra voamaso izay tsy tena mazava ny antony ve ity fanapahan-doha sisilany ity sa antony hafa mihitsy ? Inona no hampiasana ilay lohan’olona sa ankasoparana sy habibiana tsotr’izao ? Eo anatrehan’ny zava-misy, mandeha ny fampandrian-tany iarahan’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona any an-toerana, ary naverina ny fanaovana andrimaso amin’ny alina. Nampitomboina ireo zandary hanamafy ny fikarohana sy hazalambo an’ireo olon-dratsy. Raha ny tatitra vonjimaika, dia olona 4 no efa voasambotra, ary voalaza fa efa samy niaiky ho tompon’antoka tamin’ny fanapahan-doha an’ilay zazalahy vao 5 taona. Raha ny vaovao ny faran’ny herinandro teo moa, dia zazavavy iray ihany koa no nisy nikasa hamono fa tafatsoaka. Niantso vonjy izy nanaitra ny fokonolona ka nahatratrarana ilay olon-dratsy nikasa hamono azy, hoy ny vaovao avy any an-toerana.

MIRONGATRA IHANY KOA NY « KIDNAPPING »
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ankehitriny, ary saika ahenoana izany avokoa manerana ny Nosy satria ankoatra ny tranga fanapahan-doha miseho any Vondrozo, dia miverina sy mihamafy ihany koa ny fakana an-keriny na « kidnappin » aty amin’ny faritra somary afovoan-tany manodidina an’Analamanga, Betsiboka, Boeny,… Ny faran’ny herinandro teo izao, dia zanaka mpandraharaha iray no nisy naka an-keriny tany Antanetibe Anativolo distrikan’Anjozorobe. Io vo voalaza fa « kidnapping » fanindiminy nitranga tao anatin’ny iray volana. Tsy arakaraka ilay hoe : vao herinandro lasa no maty voatifitra i Landry isan’ny Raindahin’ny fakana an-keriny tany amin’ny Faritra Alaotra fa toa vao mainka mirongatra.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap