Misy tompon’andraikitra ambony amin’ny Minisitera efa voasambotra mikasika ny raharaha fakana an-kery sy famonoana olona, hoy ny Filoha lefitry ny antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Fetra Ralambozafimbololona omaly tamin’ny fahitalavitra iray. Namafisiny fa misy manao ny fomba rehetra hanakorontanana, ary nahazo vaovao marim-pototra fa misy tompon’andraikitra ambony niara-dia tamin’ny fitondrana teo aloha, tompon’andraikitra ambony amin’ny fitantanana eo anivona Minisitera,... Mbola mamelona afo sy mamporisika ny hafa hiteny fa tsy mandray andraikitra ny Fanjakana avy eo Tokony hahafantatra ny vahoaka fa misy tompon’andraikitra voasambotra, maninona no tsy avoaka ny anarany ? hoy ity farany. Tsy mbola tena navoaka ofisialy moa ny anarana mpanao politika voalaza fa isan’ny ambadika amin’ity afera fangalarana sy vono olona ity, saingy raha ny ampaham-baovao dia voalaza fa manana andraikitra ambony amin’ny tontolon’ny fampianarana. Efa nilaza moa ny Minisitry ny Fitsarana ny herinandro teo, fa aorian’ny fanadihadiana atao no hamoahana ny anarana amin’ny raharaha toy itony mba hisorohana ny fanafenan’ireo voarohirohy ny porofo. Nitsidika ny « Centre Opérationnel Anti-Enlèvement » eny amin'ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna moa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel ; ary ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa Ernaivo omaly alatsinainy 27 jolay hariva. Nananamafy ny toromarika momba ny fampiasana ireo fitaovana rehetra misy, indrindra ny fakantsary fanaraha-maso eny an-dalambe, ho fikarohana ireo olona very sy ireo mpanao ratsy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Mbola nisy andaniny ny tranga satria omaly ohatra, dia niparitaka ny filazana fa hita faty tao amin’ny ranon’i Ikopa, tao Ambohimanambola, ny marainan’ny alahady teo i Lanja, tovolahy 23 taona, izay mpamily mpanampy tao amin’ny orinasa Trans MANDA. Ny alin’ny sabotsy no fotoana farany nahitana azy nivoaka hisakafo. Nahitana ratra teny amin’ny tavany ny vatany, ka mampiahiahy fa mety ho niharan’ny herisetra mahery vaika izy. Asa fifandrifian-javatra ve ireo tranga sesilany sa manamafy ny fisiana ambadika politika goavana ? Fifandrifian-javatra ve ny nanaovan’ny Filoha teo aloha izay sesitany politika naneho hevitra sy nilaza ho miombom-po amin’ny Malagasy eo anatrehan’ny faty olona sy fahoriana raha nanao tazan-davitra hatrizay mba tsy hitenenana ireo ahiahy maro ? Efa nilaza moa ny Filohan’ny fanavaozana, fa efa natao ny toy izao tany amin’ny 2017… Asa fifandrifian-javatra sy loza toy ny loza rehetra ve ny fahamaizana nitranga teny amin’ny tsenan’Anosibe alina ? Raha ny fantatra dia tsena eo amin'ny 5 eo ho eo no may, niezaka nifanome tanana ny vahoaka, ary nanao ny ezaka rehetra ny mpamonjy voina,.. Tahaka izany ihany koa ny raharaha Jirama izay ahiana ny sabotazy goavana,…
Toky R