airtel

Fandriampahalemana

10-juin-2022

Fandriampahalemana

Vono olona miaro halatra Olona 4 no voasambotra tany Andilamena

Sample post image

Lehilahy miisa 03 sy vehivavy iray no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Andilamena ny 04 jona teo rehefa namono olona sy nangalatra.

10-juin-2022

Raha tsiahivina dia vehivavy iray efa mananon-tena no hita faty tao an-tranony ny Alatsinainy 09 May lasa teo. Tany an-toerana. Ankoatr’izay dia entana maromaro tao an-tranon’ity vehivavy ity ihany koa no very ka anisan’izany ny findainy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy, ka fantatra tamin’izany fa nisy namono ity vehivavy ity. Nanao fikarohana ny Polisy ka fantatra fa vehivavy iray, 26 taona, monina ao Andilamena ihany no mampiasa ilay finday very. Voasambotra tao amina toeram-pandihizana iray tao Antanambaovao Andilamena izy tamin’io daty voalaza etsy ambony io. Nosamborina koa ny sakaizany, lehilahy iray izay 26 taona. Tamin’ny fisavàna ny tranon’ilay vehivavy dia saika hita tao avokoa ireo entan’ilay vehivavy nisy namono. Rehefa nanontaniana mahakasika ireo entana ireo izy dia nanondro lehilahy miisa 02 izay nivarotra ireo taminy. Ny iray dia lehilahy iray, 39 taona, monina ao Ambohidradala, Andilamena. Ity farany izay tsy iza fa sakaizan’ilay vehivavy nisy namono ihany. Ny iray hafa kosa dia lehilahy 28 taona, monina ao andilamena ary efa nanana fifandraisana manokana tamin’ilay maty ihany koa. Tamin’ny fanadihadiana ireto 02 lahy voasambotra ireto dia nifampiampanga izy ireo ary samy nilaza ho tsy namono ilay vehivavy. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondrazaka ny alarobia teo ireo olona miisa 04 voarohirohy tamin’ity trangana vono olona ity ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap