Lehilahy iray 44 taona no nisy namono tao an-tokantranony ka novelesin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny hazo ny lohany. Tsy niverina intsony ny ainy vokatr’izany. Nirotsaka nanao fikarohana avy hatrany ireo polisy ka fantatra fa olon-droa mpisakaiza ihany no nahavanon-doza raha ilay lehilahy no tena tompon’antoka. Polisy nanao barazy hiditra an'Andapa no nisambotra azy ireo raha efa saika hitsoaka izy roa. Raha araka ny fantatra moa dia olona mahafantatra an-dRatompokolahy ihany ireto namono azy ireto noho ny resaka fialonana sy fitiavam-bola.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roa mpisakaiza sy ilay olona novonoiny
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy