airtel

Fandriampahalemana

20-janv-2023

Fandriampahalemana

Vono olona teny Behoririka 4 nidoboka any Tsiafahy, 1 etsy Antanimora

Sample post image

Dimy mianadahy no voasaringotra tamin’ilay raharaha fanafihana mitam-pidiana andro atoandro nisiana fandrobana vola, narahana vono olona tetsy Behoririka ny 29 desambra 2022.

20-janv-2023

Natolotra ny fampanoavana omaly 19 janoary 2022 izy ireo, ka ny 4 lahy nidoboka vonjimaika eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy, raha toa ka etsy Antanimora kosa ny vehivavy iray. Araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena, taorian'iny tranga iny dia niditra lalina tamin’ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin'ny Compagnie Antananarivo renivohitra, ary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Voarohirohy tamin'ity raharaha ity avokoa izy 5 mianadahy ireto, izay niray tsikombakomba sy niray tendro ka nahatontosa ity asa ratsy ity. Tsara ny manamarika fa ny roalahy tamin'ireto mpanao ratsy ireto dia efa nigadra teny Tsiafahy, ary izao niverina eny izao indray. Raha tsiahivina moa ny zava-niseho, dia lehilahy iray avy naka vola tao amin’ny banky iray tetsy Analakely no notifirin'ny jiolahy tetsy Behoririka tamin'io andron'ny 29 desambra 2022 io. Maty tsy tra-drano ity lehilahy izy izay voalaza fa handeha hanao “versement” tao Behoririka, ary voaroba kosa ny vola be 136 tapitrisa Ariary. Amin'izao fotoana izao dia mbola ireo olona 5 no voasambotra sy efa natolotra ny fampanoavana ka nidoboka am-ponja vonjimaika, fa mbola mitohy ny fikarohan'ny zandary ireo jiolahy hafa, izay isan'ny nandray anjara tamin'ity asa ratsy ity, hoy ny fanamarihana. Nanentana hatrany ireo izay manana loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity tsy hisalasala hiantso ny laharana 0341400651 ny zandary, ary nanome toky fa hotazonina tsiambaratelo tanteraka ny mikasika izany fanomezam-baovao izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap
26-mai-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly

Card image cap