airtel

Fandriampahalemana

28-févr-2025

VONO OLONA, TONDRA-DRANO, VIDIM-PIAINANA,

… Antson’Andriamanitra ho an’ny Malagasy, hoy Pastera Heritiana

Sample post image

Antson’Andriamanitra ho an’ny Malagasy ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ho an’ny

28-févr-2025

Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Anisan’izany ny haintany ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Eo koa ny tondra-drano nahafatesana olona maro na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra ankoatra ny vono olona ankitsirano toy ny nahazo ny olom-boafidy iray izay tanora vao herotrerony tokoa. Farany izay tsy kely hoy ity Pastera ity dia ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina izay tena mampitaraina ny maro. Ao amin’Andriamanitra ihany no misy ny vahaolana faratampony hoy hatrany izy ka mety sy tsara raha samy mitodika amin’Andriamanitra ny rehetra. Fotoanan’ny fahagagana hataon’Andriamanitra rahateo izao raha ny nambarany. Nandefa hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tenany ny amin’ny tokony hanaovana fotoam-pivavahana hangatahana famelana ho an’ny firenena mba hilaminan’ny fiainan’ny Malagasy tsy vaky volo.
Pati
Legende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana ny oloko !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap