airtel

Fandriampahalemana

26-mars-2024

Zandarimariam-pirenena

Nitanisa ireo heveriny fa fahombiazana ny Minisitra…

Sample post image

Teny filamatry ny zandarimaria ny hoe "Miaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony",

26-mars-2024

hoy ny Minisitra delege misahana ny zandarimaria, raha nanao tatitra mikasika ny fanamby ao anatin’ny 100 andro omaly tao amin’ny TVM. Ho fanatanterahana izany, dia nambarany fa nisy ny fanovan-drafitra teo anivon'ny zandarimaria toy ny fametrahana ny fitaleavana amin'ny ady amin'ny kolikoly, ny fametrahana ny fitaleavana mikasika ny fandrindrana ny programa sy ny fikarakarana ny antontan'isa. Izany dia natao mba hahafahana mamaly avy hatrany ny filàn'ny vahoaka. Tao anatin'ny asan'ny 100 andro dia nambarany fa: 78,78% ireo omby halatra no tafaverina tany amin'ny tompony, maherin'ny 65 % ny famerenana ny fandriampahalemana. 6 813 ny fitsidihana ireo toerana lavitra andriana nanaovana fanentanana, sy ny hanamafisana ny andrimasom-pokonolona toy ny filazana amin'izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanomezam-baovao ny zandarimaria. 18 000 no fanentanana efa vita toy ny fanentanana ny fametrahana ny bokim-bahiny. Mahakasika ny fanadiovana anatiny, nisy ny fampiharana ny fitsipim-pifehezana, ny famindran-toerana ireo mpitarika fibaikoana tamina toerana maro manerana ny nosy. Nisy koa ny asa famongorana ny fitsaram-bahoaka, ny ady amin'ny zava mahadomelina, ny ady amin'ny fakàna an-keriny indrindra ireo zaza varira. Raha ny trangana fanolanana dia nambarany fa 100 % ny olona nanao fanolanana no tratra, saingy tsy izay ny zava-dehibe, hoy hatrany ity minisitra fa ny tsy mampisy azy. Mitohy ny fanentanana sy ny fampiharana ny lalàna hoy hatrany izy. Noresahany koa ny asan'ny zandarimaria manoloana ny fiatrehana ny fifidianana mialoha, mandritra ary aorian'ny fifidianana. Tatitra amin’ny maha tompon’andraikitra eo an-tampony moa io, ary naneho izany ity Minisitra ity, fa tena nisy ny fahombiazana. Ny trangana tsy fandriampahalemana mahery vaika etsy sy eroa toy ny fanafihana mitam-piadiana, izay misy na ambanivohitra na an-drenivohitra kosa dia toa maneho fifangarihana amin’ny nambaran’ny Minisitra. Sesilany mantsy ny fitifirana etsy sy eroa toy ilay tao Toliara omaly, ny faty olona mampiahiahy sesilany, ny trafika sy fipariahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap