nanjavona tampoka teo anilan-dReniny mantsy ireo fianakaviany ka nitokona nanoloana ity tobim-pitsaboana tsy miankina iray ity omaly. Tsy navela hijery kely akory ilay « camera de surveillance » nirakitra ny tena zava-nisy marina tao amin’ity hopitaly ity mantsy ireo fianakaviana rehefa nangataka izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia afak’omaly alina no nanjavona teo anilan-dReniny ilay zaza. Vehivavy nisandoka ho mpampivelona no voalaza fa naka ilay zaza ary tsy niverina intsony. Olona miisa 3 no voatery nosamborina ary nalaina am-bavany nanomboka omaly hariva toy ny mpiambina ilay Clinique, ny rasazy iray….Mitaky ny hamoahana ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ireo fianakaviana koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Tompon’andraikitra feno amin’ny olona mivoaka sy miditra ao amin’ny toeram-pitsaboana ny mpiambina sy ny tompon’andraikitra ao ary na inona na inona resahana dia tsy tokony ho vitavita ho azy ny zavatra tahaka izao ; ary tena mila fantarina mazava hoe inona no antony, sao sanatria efa miala any indray ny tambajotran’olon-dratsy mpangalatra zaza menavava.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fahorian’ilay renim-pianakaviana very zanaka
Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny
Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany
Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra
Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.