airtel

Fandriampahalemana

02-mai-2025

ZAZALAHY 16 TAONA

Nanolana zaza 3 taona, fianakaviana ihany

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Tanjonandriana, Ambohimanambola,

02-mai-2025

distrikan’Avaradrano ny faramparan’ny volana Martsa teo. Tovolahy iray 16 taona no fantatra fa nanolana zazavavy kely vao 3 taona monja. Zazalahy tezaina ao amin'ny fianakaviana ihany ity nahavanon-doza ity.Ankizy efa lehibebe mpiara-milalao amin'ilay zazakely no nitantaran'ilay zazakely ny nataon'io zazalahy io azy ka io itsy ankizy voalohany efa lehibebe voalaza etsy ambony itsy indray no nitantara tamin'ny Renin’ilay zaza ny zava-nitranga. Fantatra fa nampiasa savony ilay zazalahy namitany ny fikasan-dratsiny. Afak’omaly Alarobia 30 Martsa moa no fantatra fa nanatitra fitoriana teo anivon’ny borogadin’ny zandarimariam-pirenena Ambohimanambola ny renin'ilay zaza ka notanana natao famotorana avy hatrany ilay zazalahy izay hiakatra fitsarana anio Zoma 02 May raha tsy misy ny fiovana. Nentina ho arahimaso ara-pahasalamana sy tohana ara-tsaina eny anivon'ny Centre kosa ilay zaza.
Pati
Legende : Simba sahady ny fiainan-koavin’ity zazalahy kely ity !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2026

antsy ny Renikeliny

Card image cap
15-juin-2026

Tovovavy kely iray Niaina Kanto Aksa

Card image cap
15-juin-2026

Fandehanana mafy no fototry ny loza

Card image cap