airtel

Fifamoivoizana

11-mai-2022

Fifamoivoizana

Ambohibao Antehiroka Ny Colas no hanamboatra ireo lalan-kely

Sample post image

Tena azo hanina tokoa ny lalana satria miantoka fampandrosoana ao anatin’ny faritra iray misy azy. Miroso amin’izany ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

11-mai-2022

Vita omaly ny dinika mikasika ny fanomanana ny asa fanamboarana ny lalan-kely mihazo ny biraon’ny Fokontany ao Antanetibe izay tetikasa iarahan’ny kaominina amin’ny AGETIPA. Ny orinasa COLAS raha araka ny fantatra no hanao ny asa izay mpiray miombon’antoka amin’ity orinasa iray ity sy ny Kaominina Antehiroka. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa dia hanomboka amin’ity herinandro ity ihany ny asa ary vinavinaina ho vita ao anatin’ny 45 andro. Mangataka sahady ny faharetan’ny mponina eny an-toerana ny amin’ny mety hisian’ny fanelingelenana amin’ny fifamoivoizana araka izany ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa anisan’ny lalana tena nampitaraina fatratra ny mponina ny ao Antanetibe indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra. Ankoatra ny fahasahiranan’ireo mponina amin’ny fotaka mandrevo dia sahirana ihany koa ny fiara amin’ny fampiasana ny lalana.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ireo mpiara-miombon’antoka omaly
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap