Alatsinainy 23 Oktobra folakandro. Handeha hiampita ity jamba ity no nofaohany tampoka ka avy hatrany dia nidaraboka tamin’ny tany tsy afa-nihetsika intsony. Ny lohany raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso no tena voamafy. Raha araka ny resaka niely teny an-toerana ihany dia karazan’irony efa mamo irony ilay mpamily ka tsy nitsitsy izay sendra azy intsony. Tokony ho lohalaharana hatrany mantsy ny olona jamba rehefa miampita arabe na tantanany izy na mitondra tehina fotsy noho izy ireny tsy mba manana fahafahana ny hijery toy ny olon-drehetra. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,