Ambohitrombihavana kaominina ambanivohitr’Ambohimangakely, ilay mpamily kodiaran-droa tra-doza teny an-toerana tamin’ny alahady hariva teo. Tovolahy vao 23 taona monja izy io raha tsiahivina, nitondra moto JOG Pro 90. Maty tsy tra-drano ny tenany rehefa nandona kamiao vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Mafy dia mafy tokoa moa ny dona nahazo an’Itompokolahy. Ilay kamio kosa anefa teo an-daniny tena nandeha miadana tokoa noho izy tao anaty fitohanana. Ny zoro havian’ny ridelle an'ilay kamiao moa no nitaty ny handrin’Itompokolahy ka niparitaka ny ati-dohany. Mbola nahenoana fofona alikaola ny razana, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati Legende : Maty ilay tovolahy nitondra moto !
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,