Kamiao lehibe iray no voalaza fa nanitsaka Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta raha nifanao aloha sy aoriana izy ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia voasaringotr’ilay kamiao lehibe teo alohany ilay bisikilera nentin’ity Raim-pianakaviana ity ka nifatratra tao amin’ny kodiarana aoriana. Avy any aoriana rahateo izy ka voahitsaka ny lohany ary fisaka nanaraka ny arabe tara tanteraka. Nandriaka vokatr’izany ny ra. Tsy tana intsony moa ny ain’ity mpitondra bisikileta ity na dia efa niezaka ny nanavotra azy aza ireo nanatri-maso. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ankoatra ireo miampita arabe dia misy ihany koa ireo tratry ny loza tampoka tahaka izao. Maro ihany koa ireo tratry ny tsy fidiny ka hifatraran’ireny fiara mipotsaka tsindry hisatra tampoka….ireny. Mila mitandrina hatrany araka izany ny rehetra fa lahitokana ny aina.
Nangonin’i Pati
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny