Raha araka ny fantatra dia mpitondra bisikileta saika handeha hanao “livraison” izy io. Cacapigeon hamidy no saika hoteriny. Indrisy anefa fa nofaohan’ny kamiao teny amin’iny lalana iny ny anao lahy rehefa namikiviky mafy hanao ny asa toy ny mahazatra ka namoy ny ainy teo noho eo. Raha araka ny fantatra moa dia mitombo isa ireo mpitondra bisikileta mampiasa iny lalana miazo an’i Fenoarivo iny amin’izao. Toraka izany koa anefa ireo kamio lehibe izay marihina ihany koa fa saika mandeha mafy ny ankamaroany no sady feno entana. Mila mitandrina araka izany izy ireny hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Vola mantsy no tadiavina hivoaka ny trano fa tsy sanatria fahafatesana. Efa notanan’ny mpitandro ny filaminana moa ilay mpamilin’io kamiao nahafaty olona io mba hanaovana fanadihadiana.
To Pati Legende : Maty tsy tsa-drano tahaka izao ilay mputondra bisikileta !
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto