airtel

Fifamoivoizana

28-juil-2021

Fifamoivoizana

BUS CLASS Hiasa manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao

Sample post image

Amin’ny Alatsinainy 02 Aogositra ho avy izao no hanomboka hiasa ilay "Bus Class" fitateram-bahoaka vaovao hiasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina saingy manara-penitra kokoa.

28-juil-2021

Miisa 07 izy ireo no fantatra fa hitatitra mpandeha amin'izao fanombohana izao ka hijanona ho 1.500 Ar ihany ny saran-dalana. Ny zotra 192 sy 194 no isan'ny hisantatra ity "Bus Class" ity.Tsy miova ny "trajet" mandritra izany fa manaraka hatrany ny lamina isaky ny kaoperativa. Tsy hisy kosa ny saran-dalana tapa-dàlana...Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : mety hahavaha ny olan’ny fitohanana eto an-drenivohitra ve ny fisian’ity bus class ity izay voalaza fa manara-penitra ity ? Hiteraka filaminana ho an’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ihany koa ve ny fisian’izany noho ny hamaroan’ireo taxibe marobe izay efa miasa eto amintsika isaky ny kaoperativa ? Andrasana araka izany izay mety ho vokatra tsara entin’ny fisian’ity bus class ity eto an-drenivohitra sy ny manodidina na ho an’ny mpanjifa izany na ho an’ireo koperativa mitovy aminy.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap