Nivoaka ny fampahafantarana ofisialin’ny Fiadidian’ny Kaominina tarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly 04 mey, fa miverina manomboka io omaly io ity endrika fanasaziana amin’ny alalan’ny fametrahana an’ireny fitaovana apetraka amin’ny kodiaran’ny fiara tsy hahafahany mihetsika ireny. Milaza mantsy ny CUA fa mitombo ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fiverenan’ny gaboraraka eny amin’ny lalàm-bahoaka raha ny tsikaritra tato ho ato. Hopetahan’ny kaominina avy hatrany ireo fiara tratra mibahanan-dàlana sy miteraka fanelingelenana ny hafa na “stationnement génant”, ny fijanonana amin’ny toerana tsy azo hijanonana na “stationnement interdit”, ny fanamboarana fiara eny an-dalambe na “Réparation sur la voie publique, ary ny “Embarras”, ka mila mandoa sazy avy hatrany. Nilaza ny CUA fa raha tsy voaefa mialohan’ny filentehan’ny masoandro ny sazy mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna dia miroso amin’ny fampidirana am-balam-pamonjana ny fiara ny fiadidian’ny tanàna. Mitarika any amin’ny fitomboan’ny sazy ara-bola ary mety ho tonga amin’ny fisintonana vonjimaika na maharitra ny anton-taratasin’ny fiara, hoy hatrany nhy kaominina. Tsara ny manamarika fa 12000Ar hatramin’ny 600 000Ar eo ny mety ho sazin’ireo tratry ny « taquet d’arrêt » arakaraka ny « contrevention » omen’ny mpitandro filaminana mandrefy ny hadirin’ny sazy. Nomarihin’ny CUA ihany koa fa ireo mpitandro filaminana mitondra sy mampiasa “tablette” ihany no afaka manao ny asa “pause taquet” mba hialana amin’ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana. Nentanina tao anatin’io fanambarana io ny besinimaro mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Zava-dehibe ny fampanarahan-dalàna sy fandaminana, saingy maro amin’ireo mpampiasa fiara kosa no maneho sahady fa tokony hisy fepetra mifandraika amin’ny fanapahan-kevitra na “mesure d’accompagnement” toy ny tokony ho fahampian’ny “parking” azon’ny fiara hijanonana, fa tsy paikady hoenti-mitango vola fotsiny. Efa tena tery eto Antananarivo ka mila mamoaka vahaolana, toy ny “parking” mihantona ohatra. Betsaka rahateo ny fampanantenana tamin’ny propagandy momba ny fandaminana ny tanàna sy fifamoivoizana saingy aiza izany?
Toky R
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,