airtel

Fifamoivoizana

07-juil-2026

Depiote Mamy Rabenirina

« Roahy tanteraka mpamily

Sample post image

taksibe tsy manara-dalàna »

07-juil-2026

Niteraka resabe teto amintsika andro maromaro lasa izay ny fitokonan'ny « taksibe » sy ny hafitsok'ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Nanolo-kevitra ny amin'ny fomba hampanarahan-dalana azy ireny ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina voafidy tany amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nambarany fa tsy vahoalana intsony ny fisintomana ny « permis de conduire » an'izy ireny na ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara ho an'ny mpamily. Ny tena mety hoy izy sady nanaovany antso avo tamin'ny kaominina rehetra teny Ambohidratrimo ny tonga dia tsy hamelana ireo mpamily tsy manara-dalana hanao asa fitateram-bahoaka intsony. Notsiahiviny moa fa tsy tokony hijanona ho mpitsoka kirioka eny amin'ny arabe intsony fotsiny koa ny mpitandro ny filaminana fa tena hanao ny asany. Jerena ireo « taxibe » miodina eny an-dalana, ireo manary mpandeha eny rehetra eny, ireo mpandroaka sy mahay vava mpanjifa fa tsy milaza ho tsy mañana madinika.... Rehefa mifanome tanana ny rehetra, hoy izy, dia hanara-dalana ihany izy ireny. Anisan'ny tena andrasana avy amin'ny Ministeran'ny Fitaterana ihany koa ny famerenana fanomezana fiofanana ireo mpamily sy ny mpanampy arahin'ny fanaovana fanamiana mitovy sy madio ho fanajana ny mpandeha.
NA IZANY AZA…
Zava-dehibe ny fanenjehana sy fanasaziana eny fa tonga hatramin’ny fanilihana tsy hanao asam-pitaterana mihitsy, raha ny hevitr’ity solombavambahoaka ity. Asa ho an’ny vahoaka tokoa io ary rariny raha sarotiny izy. Na izany aza anatin’ny vahoaka ihany koa ireo mpiasa mandinika amin’io sehatra io izay misy tokoa ny manao ny tsy mety. Tsy miary ny mpamily sy ny mpanampy fa moa mba efa nisy manam-pahefana ve mba nijery sy nandinika ny hanatsarana ny tontolon’ny asan’izy ireny toy ny lafiny lalàna sy ny zo sosialy satria ny 80% amin’ireo mpamily taksibe anie ka tsy misy karama raikitra. Rehefa tsy afa-po amin’ny «versement » ny mpampiasa dia miteny hoe aza miakatra rahampitso dia samy vita kanefa mamelona vady aman-janaka ka moa mba afaka mijery an’izany ve ny fahefana mpanao lalàna mba tsy handeha ila ilay fomba fijery ?
Pati
Légende : Misy Taksibe dia tena mampijaly sy mampiilafila mpandeha
 

Dans la même rubrique