airtel

Fifamoivoizana

05-juil-2022

Fifamoivoizana

Fanaovam-baksinin’ny covid-19 Hisy fitetezana sekolysy fiangonana eto Antananarivo

Sample post image

Raha 421 000 ny olona 18 taona mihoatra (50, 5%) nokendrena ho vita vaksiny amin’ity taona ity eto Antananarivo, dia voalaza fa ny 227 000 (27, 2%) no vita hatreto,

05-juil-2022

hoy ny tomponandraikitry ny fandaharan’asa misahana ny vakisiny eto Antananarivo Renivohitra. Mbola vitsy araka izany ny tahan’ny fanaovam-bakisiny eto amin’ny distrikan’Antananarivo renivohitra. Manoloana izany indrindra, miditra ao anatin’ny fanentanana mandritra ny 100 andro ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nanomboka ny 1 jolay lasa teo ho an’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Kendrena amin’izao hetsika izao ny fiangonana, ny sekoly sy ny oniversite tsy miankina. Mitety ny toerana rehetra vory olona toy ny tsena ihany koa ireo mpiantsehatra, amin’izany indrindra no hampahafantarana azy ireo ny mahazava-dehibe ny vaksiny, hoy ny tomponandraikitra tamin’ny fampahalalam-baovao iray. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy, fa miakatra hatrany tahan’ny olona voan’ny coronavirus eto Madagasikara, ary lohalaharana ny faritra Analamanga. Iny nahitana olona 3 namoy ny ainy iny ny herinandro teo, ary nahatratra 406 iny ny tranga herinandro izany hoe : 58 isan’andro raha atao ny salan’isa. Ny vaksiny hatreto no fanefitra ekena ho ara-dalàna sy manan-kery maneran-tany. Manomboka mivaha ny fepetra ara-pahasalamana izay tsy ny eto ihany fa maneran-tany. Tsy afaka ny hihiboka foana sy hampikatso zavatra maro hangeja ny toekarena isika, fa ny fisorohana sy ny fiarovana no hany vahaolana.
Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap