airtel

Fifamoivoizana

25-nov-2026

Fanarenana

ny RN1 Bis

Sample post image

126 Km no efa tontosa,

25-nov-2026

nanome solika 7000 ny Madagascar Oil
Miroso ny asa tanterahin'ny Jenia Miaramila amin'ny fanamboarana sy fanarenana ireo ampahan-dalana tena ratsy (points noirs) amin’ny RN1 Bis. 126 Km eo izao no vita, niainga avy ao Tsiroanomandidy. Mizara telo mazava ny asa fanarenana. Voalohany ny ampahan-dalana miainga avy any Maintirano, andraikitry ny Jenia Miaramila tohanan'ny Faritra Melaky. Faharoa ny ampahan-dalana miainga avy ao Tsiroanomandidy, andraikitry ny Jenia Miaramila ihany koa miaraka amin'ny tantsoroky ny Faritra Bongolava, amin’ny alalan’ny fanomezana ireo fitaovana vaventy hanohanana ny asan’ny Jenia. Ny fahatelo dia ny ampahan-dalana manomboka eo amin’ny sampanan-dalan’i Tsimiroro hatrany Tsiroanomandidy, izay iandraiketan’ny orinasa MadaOil. Nanolotra solika 7.000 litatra ho an’ireo milina mavesatra ampiasain’ny Jenia Miaramila ny Madagascar Oil, ho fanohanana ny asa fanarenana ity lalam-pirenana ity, ho fanafainganana ny asa amin’ity lalana stratejika ity, izay tena ilaina amin’ny fivezivezen’ny mponina, ny fitaterana entana ary ny fampandrosoana ara-toekarena eo anelanelan’ny Faritra Melaky sy Bongolava. Tonga tany tao Ankazondrano, Ihorombato nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Jeneraly Pikulas Démosthène, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Alatsinainy 23 novambra 2026. Nandritra io diany io no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-piofanana ho an’ireo Miaramilan'ny Jenia 10 mirahalahy, izay niofana tamin’ny orinasa Henri Fraise momba ny familiana ireo fiara vaventy. Mbola hitohy eny an-kianja ny fampiharana sy fanamafisana ny fahaiza-manao azon’izy ireo. Nanomboka tamin'ny jolay 2026 ity tetik'asa ity. Tanjona lehibe amin’izao asa izao ny hahatongavana amin’ny fandrakofana tara ny RN1 Bis mirefy 400 km eo. Ho fanomanana izany, dia mifantoka amin’ny fanokafana lalana, fanatsarana ary fanarenana ireo faritra tena sarotra aleha aloha ny asan’ny Jenia Miaramila ho fanatsarana ny fifamoivoizana sy ny fampandrosoana ny faritra. « Mitaky fiaraha-mientana sy fanohanana azo tsapain-tanana eny ifotony ny fanatsarana ny fahafahana mivezivezy eo amin'ny RN1 Bis. Amin'ny alalan'ity fanomezana solika ity, ny Madagascar Oil dia mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fahafahan'ireo ekipa miasa eny an-kianja hanatsara ity lalana stratejika ity ho tombontsoan'ny vahoaka sy ho fampandrosoana ny ara-toekarena.", hoy kosa i Yanto Sianipar, Administrateur Général, Madagascar Oil SA

Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

25-nov-2026

nahafatesana olona 32 tany Betroka

Card image cap
RN6
25-nov-2026

lozam-pifamoivoizana

Card image cap
24-nov-2026

Nahavelona lohamasinina 6,

Card image cap