airtel

Fifamoivoizana

25-nov-2026

RN6

Olona 2 indray matin’ny

Sample post image

lozam-pifamoivoizana

25-nov-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona omaly Talata 24 Novambra tany amin’ny lalam-pirenena faha-6. Fiara Jac iray miloko manga nitondra katy sy olona ho any amin’ny distrikan’ Ambilobe raha araka ny vaovao azo no tra-doza teo amin'ny PK 624 +700 teo Marotaolana. Nandeha mafy ilay fiara hoy ireo nanatri-maso hany ka nifatratra sy nidona tamin’ny zavatra hafa. Olona miisa 02 no maty vokatr’izany raha miisa 06 kosa ireo naratra. Tsiahivina fa mampitaraina fatratra ny mpampiasa iny lalam-pirenena faha-6 iny ny fihetsik’ireo mpamily. Tsy mahalala mandeha mora intsimony mantsy ny bajaj, ny kodiaran-droa na ny moto. Toraka izany koa ny kamiao.... izay mitondra katy, hoy ny fanazavana ka mitera-doza tahaka izao. Nandositra moa ilay mpamily hoy ny vaovao. Noentin’ ny fiara mpitondra marary namonjy toeram-pitsaboana kosa ireo naratra ka fantatra fa efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Mahatratra 10 isan’andro moa ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Vokatry ny olana ara-teknika mahazo ilay fiara ny 80%-n’ny mahatonga ny loza raha avy amin’ny mpamily ny 20%.
Nangonin’i Pati
Legende : Feno olona nitangorona tahaka izao ny arabe !
 

Dans la même rubrique

25-nov-2026

126 Km no efa tontosa,

Card image cap
25-nov-2026

nahafatesana olona 32 tany Betroka

Card image cap
24-nov-2026

Nahavelona lohamasinina 6,

Card image cap