Nisy fandikan-dalàna, any am-ponja ny tompony sy ny mpanampy azy
Niakatra fampanoavana ilay raim-pianankaviana, mpamily sady tompon’ilay fiara tra-doza, tratry ny ranotrambo tany Betroka ny 17 novambra 2026 lasa teo, tao Ianabinda, any Betroka. Teo ihany koa ny mpanampy ny mpamily. Raha hiverenana, nahafatesana olona 32 ity tranga ity, raha 9 kosa no tafavoaka velona. Nanapa-kevitra ny Fitsarana taorian’ny fanadihadiana, ka nampidirina am-ponja vonjimaika izy roa ireo. « Nisy ihany ny tsy fanarahan-dalàna izay nataon’ireo olona roa ireo, ary mba ho fiarovana ny vatany ihany koa, dia nandray fepetra ny fampanoavana ny hitazona am-ponja azy ireo vonjimaika, ka any izy ireo no miandry ny fotoam-pitsarana, izay mbola tsy voafaritra mazava tsara na mialoha na aorian’ny taom-baovao », hoy ny Tonia mpampanoa lalàna Jean-Jacques Séraphin. Mbola andrasana mantsy, hoy ny fanazavany, ny fianankavian’ireo nanatitra ny razana rehetra any amin’ny toerana misy azy avy. Eto Madagasikara, ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona na "accident mortel", dia matetika sokajiana ho "homicide involontaire" (famonoana olona tsy niniana) rehefa noho ny tsy fitandremana, tsy fahampian’ny fitandremana, hadisoana na tsy fanarahana ny fitsipika no nahafaty olona iray. Araka ny Andininy faha-319 ao amin'ny Fehezan-dalàna famaizana (Code pénal malagasy), dia saziana ny olona tompon'andraikitra amin'izany : fampidirana am-ponja manomboka amin'ny 3 volana ka hatramin'ny 2 taona, lamandy mety hahatratra 6 000 000 ariary. Ankoatra izany, raha hita fa nisy fandikan-dalàna hafa nandritra ny fitondrana fiara, toy ny fitondrana fitondrana fiara anaty fahamoana, fitondrana fiara kanefa tsy manana fahazoan-dalana, na fandosirana taorian'ny loza, dia mety hisy sazy fanampiny.
Toky R