airtel

Fifamoivoizana

09-févr-2026

Fiara mpitatitra nifandona tamin’ny Scooter

Tsy tana ny ain’ilay mpamily

Sample post image

Fiara mpitatitra iray avy any

09-févr-2026

Tsimbazaza hidina an’i Mahamasina no nifaoka «Moto Scooter» na kodiarandroa teo anoloany izay nitovy zotra aminy, izany hoe, samy hidina an’i Mahamasina, ny sabotsy maraina teo. Nanohy ny fitsotsorihany tsy nisy fifehezana ilay fiara ka namarana ny diany tany ambany any Mahamasina manakaiky ny Bazar du Quartier rehefa avy nifaoka indray fiara Suzuki Swift sy Starex GRX, hoy ny fanampim-baovao voaray. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ilay mpamily Scooter saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny amin'ny hopitaly ary naratra mafy ihany koa ilay mpamily Scooter faharoa. Araka ny fanazavan'ilay mpamily dia ny fahatapahan'ny isatra no anton'ny loza, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap